Actualités

Antananarivo Renivohitra Hatao toa an’i Seoul sy Singapour


  • Alakamisy 22 Septambra 2016

Tany amin’ny taona 1990 no nisian’ny Famatsiam-bolan’ny Banky Iraisam-pirenena hoenti-manajary ny tanŕn-dehibe farany. Amin’izao fotoana izao dia niverina izany ka vola mitentina 60 tapitrisa dolara no hatontona amin’ny tetikasa «PRODUIR» na ny Drafi-pampandrosoana sy fanajariana ny Renivohitra.

Nialoha izao dia efa nisy ny fampiofanana sy atrikasa narahin’ireo mpahay ny tontolon’ny tanàn-dehibe toy ny tamin’ny 15 septambra teo, nenti-nandinihana ny fomba hanajariana an’Antananarivo sy ny manodidina na ilay antsoina hoe «Projet Grand Tana». Tafiditra sy mifanindran-dalana ao anatin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity ny fanatsarana ny lafiny fambolena sy ny fananantany izay efa nisy fanadihadiana ara-teknika. Ny ampahany amin’io vola io no hotantanin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany izay ambaran’ny minisitra Narson Rafidimanana ho fahatokisan’ny mpamatsy vola antsika. Tanjona amin’ny tetikasa ny hamahana sy hifehezana ireo olana mianjady amin’ny renivohitra izay itarafana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Anisan’ny efa nisitraka ity tetikasa ity i Seoul sy Singapour tany amin’ny taona 90 ary efa lasa tanàn-dehibe mendrika indrindra eto ambonin’ny tany ka mila mizotra amin’ny lalana nizoran’ireo tanàn-dehibe ireo ny eto Antananarivo. Ankoatra an’Antananarivo Renivohitra dia kaominina miisa 36 hafa manodidina ny renivohitra no hisitraka ity tetikasa «PRODUIR» ity.

Toky R.

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT