Actualités

ANTANANARIVO RENIVOHITRA Hasiana jiro avokoa ny andrin-jiro rehetra


  • Alatsinainy 09 Martsa 2020

Manohy hatrany ny fanazavana ny tanànan'Antananarivo ny JIRAMA, izay fiaraha-miasany amin'ny fiadidiana ny Repoblika.

Nisy ny zoma alina teo ny fidinana ifotony nijery ny fiovana teny amin'ny araben'ny fahaleovantena sy ny manodidina, notarihan'ny filohan'ny filankevi-pitantanan'ny orinasa JIRAMA Solo Andriamanampisoa, notronin'ny minisitry ny angovo sy ny akoranafo Christian Ramarolahy.Tanjona hoy ny minisitra ny hanitatra ny fanomezana hazavana manerana ny elakela-trano rehetra eto an-drenivohitra. Nisy ny tafa fohy nifanaovan'ireto delegasiona ireto tamin'ny ben'ny tananan'Antananarivo Naina Andriantsitohaina. Tsy hijanona eto Antananarivo ihany ny tetikasa fa hiitatra manerana ny Nosy ka afaka herinandro dia ny lalam-pirenena fahafito no hotsidihan'ny minisitra mpiahy ny JIRAMA. Anisan'ny vinan'ity farany ny hamerina indray ny fiainana an-kalalahana amin'ny alina, tsy sembanan'ny haizina sy ny tsy fandriampahalemana. Efa hita taratra izany nandritra ny fandalovan'ny delegasiona teny amin'ny Petite Vitesse sy ny fifampiresahana tamin'ireo mpivarotra hanimasaka. Ireto farany izay nilaza fa afaka manao ny asany mandra-maraina hatramin'ny nanazavana ny arabe manodidina. Nanomboka ny 21 desambra lasa teo dia jiro miisa 443 no napetraka teto an-drenivohitra ka ireny karazana jiro LED ireny ny 341 ary mandeha amin'ny herin'ny masoandro kosa ny 102.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT