Actualités

Antananarivo Renivohitra Hampiantrano ny faha-50 taonan’ny fiaraha-miasa amin’i Vatican


  • Alakamisy 15 Desambra 2016

Noraisin’ny ben’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana teny amin’ny toeram-piasany Analakely omaly ny solontenan’i Papa, ny «nonce apostolique» monsenera Paolo Rocco Gualtieri.

 Nisongadina tamin’ny fihaonana ny famolavolana fandaharana iombonana ho an’ny tanora kristianina eto Antananarivo Renivohitra, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny roa tonta. Feno 50 taona ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’i Vatican sy i Madagasikara izay homarihana amin’io taona vaovao hitsidika io. Hampiantrano ity fankalazana ny jobily volamenan’ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny firenena Malagasy sy ny fanjakan’i Vatican ity moa ny volana janoary 2017 ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Ho avy eto amintsika hanome voninahitra izany kosa ny Sekretera misahana ny fifandraisana ivelany ao Vatican, araka ny fantatra nandritra ny dinika nifanaovan’ny roa tonta ihany.   

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT