Actualités

Antananarivo Renivohitra dibo-drano Mila vahaolana hentitra na…


  • Alarobia 17 Febroary 2016

Dibo-drano tanteraka ny renivohitr’i Madagasikara raha vao mirotsaka ora roa fotsiny ny ranon’orana eto Antananarivo Renivohitra. Ny alatsinainy hariva teo no tena nahitana izany.

 

Amin’ny toe-javatra toy ireny dia ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo no hazo avo hitan’ny rivotra voalohany izay ampirisihina hitady vahaolana maika amin’ny fivoahan’ny rano. Misy andraikitry ny fitondrana foibe ihany koa mahatonga ireny rano be ireny satria maro amin’ireo trano lehibe miorina eo Analakely izay ny minisiteran’ny Fanajariana ny Tany no nanome azy ireo alalana hanorina no mahatonga ny fahatsentseman’ny lalan-drano sasantsasany ka mahatonga ny rano hitoby eo afovoan’ny araben’ny fahaleovantena. Antony iray faharoa ihany koa ny afitsoky ny mponina sasany izay manao fanahy iniana mandefa ny fakony any amin’ireo lakandrano ka manentsina azy. Andraikitry ny mpitondra rehetra sy ny mponina eto an-drenivohitra ny fiarovana ireny lalan-drano ireny na amin’ny loto sy ny fako na amin’ny fanorenana samihafa izay mety hamotika azy. Fotoana izao hampiharana amin’izay ilay « plan directeur d’urbanisme » izay hananantsika teknisianina maro be. Rehefa tara loatra ny fampiharana azy io dia tokony hoeritreretina ny fanorenana renivohitra vaovao satria efa tena fefiky ny tsy fahatomombanana loatra Antananarivo Renivohitra e !

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT