Lasa tahaka ny dobo filomanosana ny tokotany malalaka tetsy amin’ny garan’i Soarano omaly hariva, rehefa nijojo nandritra ny ora roa ny orana. Dibo-drano tahaka izany koa ny arabe teny amin’ny Petite Vitesse, efa tsy resahana intsony moa ny teny Anosy, Ampefiloha sy Andavamamba.
Tsy misy adihevitra fa rehefa mirotsaka mihoatra ny 30 minitra izany ny orana eto an-drenivohitra dia miangona sy miakatra avy hatrany ny rano. Tsotra ny antony, efa tery ny tanàna, tsy ampy ny tatatra sy lakandrano misy, maro loatra ireo faritra fivarinan’ny manodidina ny renivohitra no efa voatototra ka lasa miangona eto afovoan-tanàna ary mamonjy izay toerana iva ny rano. Araka ny filazan’ireo teknisianina amin’ny resaka fanajariana ny tany dia gaboraraka loatra ary tsy manara-dalàna ny asa fanorenana eto Antananarivo Renivohitra, ary tsy naharaka ny fivoarana ny fotodrafitrasa nisy. Efa nialoha ny 1970 mantsy no nanamboarana ny 85%-n’ireo tatatra sy lakandrano eto Antananarivo, ary taty aoriana ny tena zava-doza dia ireo kely nananana ireo indray no tsy voakolokolo sy nivadika ho fanariam-pako. Vahaolana ny fanamboarana lakandrano goavana any ambanin’ny tany hanilihana ny riaka sy ny ranon’orana any amin’ireo renirano mandalo eto Iarivo. Eo ihany koa ny fampitomboana ny isan’ny « station de pompage ». Asa goavana mila vola be avokoa izany rehetra izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.