Mitohy ny ezaky ny Ben’ny tanŕna Lalao Ravalomanana sy ny fiadidiana ny kaominina amin’ny fampandrosoana ny tanŕnan’Antananarivo.
Nanasa manampahaizana teratany Amerikanina momba ny lalàna iraisam-pirenena izy ireo mba hahafahana manarina sy mampivoatra ny renivohitr’i Madagasikara izay very hasina sy potika tanteraka vokatry ny gaboraraka nisy teo aloha. Omaly ihany dia efa nisy ny fifanakalozan-kevitra ka noresahina ny fitantanana ny kaominina amin’ny ankapobeny, ny fitohizan’ny fanadiovana ny tanàna. Taorian’ny fihaonana tamin’io manampahaizana io no nilazan’i Gabriel Harisson, lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna fa mitohy hatrany ny fanadiovana sy fandaminana ny tanàna ka ao anatin’ny fampianarana ny olona hanara-dalàna ny fanaovana izany. Nanamafy io tompon’andraikitra io fa tsy nisy ny daroka na amboletra nataon’ny kaominina nanomboka ny volana janoary nanaovana ny asa fandaminana. Tsy manao herisetra ny polisy monisipaly izay tarihin’ny polisy nasionaly ary fehezin’ny lalàna izy ireo. Tsy mitondra fitaovam-piadiana, tsy mba mitaraina nefa saika isan’andro dia misy olona manambana antsy azy, misy olona na andian’olona manambana basy na mitora-bato azy ireo… Hany ka polisy monisipaly miisa 15 mahery no naratra, vaky loha, nodidiana noho ny hetraketraka nisy hatramin’ny volana janoary. Manoloana ny fihetsiky ny miaramila teny amin’ny lapan’ny tanàna, nambarany fa tsy azo ekena amin’ny tany tan-dalàna, indrindra amin’ny tany Repoblikana ny olona manafika lapan’ny tanàna izany, helohin’ny lalàna toy ny fanafihana lapam-panjakana rehetra izany. Raha nisy ny fahadisoan’ny polisy monisipaly dia afaka manokatra fanadihadiana ny fitsarana. Ny famotorana rahateo dia azo atao foana.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.