Actualités

Antananarivo Mihamafy indray ny delestazy


  • Alatsinainy 17 Febroary 2020

Tapaka jiro tamina faritra marobe teto Antananarivo Renivohitra ny sabotsy alina ary mbola nitohy omaly: Analakely, Ambondrona, Ambohijatovo,

 

Antaninarenina,  Tsaralalana, Ambohitsorohitra,Ambohidahy, Ambatonakanga,  Amparibe, Andohalo, Manjakamiadana, Ambohimitsimbina, Tsimbazaza, Marohoho, Besarety, Rasalama, Antaninandro, Antsahabe, Ankadivato, Bel air, Ampahibe,67Ha, Andohatapenaka, Itaosy... Faritra maro hafa no nisian’ny fahatapatapahana im-betsaka. Noho ny tsy fahampian'ny tanjaky ny herinaratra ao amin'ny tranon-jiro Ambohijatovo no voalaza fa antony, hoy ny Jirama. Misy fikorontanana ny famatsiana rano amin'ny ankapobeny manerana an'Antananarivo noho ny fahatapatapahan'ny herinaratra, alina, izay misy fiantraikany amin'ireo milina fampiakarana ny tosiky ny rano. Ankehitriny dia efa miverina miandalana amin'ny laoniny ny famatsiana satria efa mari-toerana ny herinaratra, hoy ny fampitam-baovao ny atoandron’ny omaly. Tena mbola mampikolay ny fahatapahana, ka asa na rahoviana no tena hivaha ity olana ity. Misy ny ezaka sy tetikasa samihafa sy fifanarahana maro mandeha, saingy mbola tsy fotoana hisitrahana ny vokatra angamba izao, fa mila miaritra hatrany.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT