Actualités

Antananarivo Maloto sady maimbo


  • Alarobia 03 Desambra 2014

Tonga ny fahavaratra, manomboka misavovona indray ny fako eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, velom-panontaniana ny mponin’ny renivohitra hoe : fa inona no olana mahatonga ny fitarazohan’ny fandraofan’ny kaominina ny fako ? Efa mba nisy fihatsarana kely ihany mantsy izy ity teo aloha teo, saingy toa miverina mikorontana indray ankehitriny.

Olana ara-bola ?

Besarety, Analakely, Antanimena, Anosibe, Anosipatrana, Anosizato, Antohomadinika, Ankazomanga, 67Ha …ampahany amin’ireo toerana eto an-drenivohitra ahitana fako misavovona ireo amin’izao fotoana. Tsy atao mahagaga raha mirongatra ny voalavo, miakatra « ville » ka tafiditra teto ny aretina pesta. Tsara homarihana fa 500 ka hatramin’ny 700 taonina isan’andro ny fako eto an-drenivohitra, fiara be 25 ka hatramin’ny 30 no tokony hitatitra sy hanary ireo fako ireo. Samy mahavita manodidina ny 200 km isan’andro ireo fiara be ireo, ka rehefa natao ny kajy dia 420 tapitrisa ariary isam-bolana no vidin-tsolika ho an’ireo fiara mpitatitra fako ireo. Teo foana ny olana, vahaolana vonjimaika no nisy teo aloha teo, ary matoa niverina nisavovona ny fako dia tsy nandaitra intsony izany ireo vahaolana vonjimaika ireo.

Fako sy sakafo

Amin’ny maha renivohitra azy anefa dia manana sata manokana Antananarivo, ary ny fitondrana foibe dia manana adidy ihany koa hikarakara izany renivohitra izany. Ka inona ary no andrasana ? Manana vola hivoahana any ivelany isaky ny roa volana ny filoham-pirenena ka nahoana no tsy mahita vola handraofana ny fako eto an-drenivohitra ? Andrasana efa an’arivony ve sanatria ny olona voan’ny pesta  eto noho ny loto, izay vao handray fepetra ? Ny tena loza dia mifanakaiky eo ny fako maimbo sy ny tsena ahitana ireo vokatry ny tany sy hani-masaka isan-karazany, tsy taitra amin’izany anefa ny tompon’andraikitra. Tsy vitan’izay fa dedaka mampirisika ny vahiny hizahatany eto ny fitondrana kanefa manala baraka tanteraka io loto etsy sy eroa eto an-drenivohitra io ary manome sary ratsy ho an’i Madagasikara any ivelany satria tena taratry ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fahavoretrana tsotra izao. Efa misy ihany ireo dokambarotra fanentanana ataon’ny kaominina saingy tena hita fa tsy mandaitra ary tsy mipaka any an-tsain’ny olona izy ireny. Nahoana no tsy hatsaraina ? Ny kaominina anefa manana haino aman-jery hahafahany mampianatra sy manabe ny mponina eto Iarivo. Voaporofo mazava tsara izao ny tsy mahamety ilay fanendrena PDS, olom-boatendry fa tsy olom-boafidy, tsy dia miasa saina firy amin’ny fahasahiranan’ny vahoaka andavanandro. Ny fifidianana ben’ny tanàna anefa ity toa mbola resaka any ankibon’ny omby, ka asa fotsiny izay hitranga eto atsy ho atsy fa dia hifaninana amin’izay manana tendrombohitra fako avo indrindra angamba ny isam-pokontany eto an-drenivohitra e ! Dia hirongatra ny valanaretina maro samihafa handripaka ny vahoaka sahirana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT