Actualités

Anosy – Ankadimbahoaka Namboarina maika ny lalana


  • Zoma 08 Janoary 2016

400 metatra ny arabe manelanelana an’Anosy sy Ankadimbahoaka amin’ny lalam-pirenena faha-7 novonjena namboarina haingana tato anatin’ny 2 andro izao hanenjehana ny lanonana fifampiarahabana eny Iavoloha anio.

 

 Nikatona tanteraka omaly ny ilany atsinanana amin’ny arabe avy eny Soanierana mankeny Anosy noho io fanamboarana tsy maintsy natao io. Eo amin’ny « rond point » manakaiky ny La Gastro Pizza Soanierana no tsy maintsy mivily lalana miankandrefana mankany Namontana ary mivoaka any Anosibe ireo fiara rehetra avy any Ankadimbahoaka. Niteraka fitohanana goavana io fiovan-dalana io. Tsy maintsy natao anefa izany noho ny asa maika fanamboarana ny lalana. Ny orinasa SOGEA SATOM no manatanteraka ny asa ary araka ny fanazavan’ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka dia volan’ny fanjakana Malagasy madiodio no nampiasaina satria ela loatra ny fivoahan’ny vola fanampiana avy amin’ny banky iraisam-pirenena. Nomarihany fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra ity atao eny Anosy sy Soanierana ary Ankadimbahoaka ity. 3 miliara ariary eo ho eo ny tetibola hampiasaina ary iray volana no faharetan’ny asa.

RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT