Taolampaty 80 kg notsinjaraina tao anatina baoritra 4 no hita teny akaikin’ny fasam-bahiny Antokontanitsara -Anosizato Andrefana omaly tokony ho tamin’ny 4 ora maraina.
Mpandalo no nahita azy ity ary nampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana sy ny tompon’andraikitry ny fokontany. Rehefa nozahana izy ireto dia hita fa taolan-dava avokoa ary 213 ny isany. Tsy misy mahafantatra hatreto aloha ny olona nitondra azy ireo na izay toerana niaviany. Noho ny tahotra ny aretina dia nalevin’ireo mponina teny an-toerana avy hatrany ary norakofana simenitra ilay izy. Tsy nisy nahatsikaritra zavatra hafahafa izahay fa dia ireo taolana anaty baoritra fotsiny no hita nipetraka tamin’ny toerana somary takontakona, hoy ny mponina teny an-toerana. Midika izao fa manomboka miha mahazo vahana indray ity trafikana taolandrazana ity eto Antananarivo. Hatreto aloha dia manjavozavo hatrany ny fanadihadiana rehetra natao na dia efa hita amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara aza ilay izy. Siosion-dresaka no nahenoana fa teratany Karana no ao ambadik’izy ity ary anisan’ny ampiasana azy ny fitaterana rongony an-tsokosoko mivoaka an’i Madagasikara satria anisan’ireo akora tsy hitan’ny scanner eny amin’ny seranam-piaramanidina ny zavatra vita avy aminy ka noho izany dia azo hanafenana tsara zavatra aondrana an-tsokosoko.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.