Misy tokantrano iray mamokatra zavatra mampanempotra eny Anosimasina Itaosy ampitan’ny tobin-tsolika Shell akaikin’ny fiantsonan’ny taksibe
. Toy ny orinasa mihitsy izy io ary mamoaka fofona ratsy toy ireny amoniaka ireny mihitsy, miasa andro aman’alina. Raha ny filazan’ny mponina manodidina, manempotra tsy azo iainana izy io ary efa maro ireo niditra hopitaly, indrindra ny zaza. Efa nentina teo anatrehan’ny filoham-pokontany ny fitarainan’ny mponina ary tonga hatrany amin’ny ben’ny tanàna. Nidina teny an-toerana avy hatrany ity farany ary nanome baiko ny hampitsaharana ilay asa. Mbola nitohy indray anefa omaly ilay fofona. Manaitra ireo manampahefana tandrify izany ireo mponina eny an-toerana fa tena mijaly izy ireo.
Nangonin-dRabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.