Tsy misy pesta ao Anosimahavelona saingy na izany aza tena maloto ny tanŕna. Zazavavy kely iray vao fito taona monja naratra tanana ka nisy atoditarimo tao ambany heliny, io no niatombohan’ny resaka
Taitra mafy noho izany ilay talen-tsekoly ao amin’ny EPP Ankazotoho Anosimahavelona hianarany ka nampandre ny ray aman-dreniny, ny sefom-pokontany, ny dokotera eo anivon’ny BMH … Rehefa natao anefa ny fijerena ny toe-pahasalaman’ilay zaza dia tsy voan’ny pesta izy. Na izany aza mba hahafahana miaro ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ity faritra iray ity dia nisy ny fandrarahana fanafody nataon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Voakasik’izany manokana ny tao amin’ny EPP sy ny manodidina. Nomarihin’ny lefitry ny sefom-pokontany ao an-toerana moa fa efa iray volana sy tapany izao no tsy nisy asa fanadiovana intsony tao Anosimahavelona raha tokony hatao matetika izany. Ny alatsinainy lasa teo no niverina nianatra io zazavavy kely io ary efa sitrana soa aman-tsara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.