Namerina indray ny fiarahany nifaly tamin’ny vahoakany ny filoham-pokontanin’Anosibe Angarangarana Maharitra Ali Petera ny sabotsy lasa teo noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Asaramanitra.
Navahiny manokana tamin’izany ireo ankizy madinika latsaky ny 15 taona ao amin’ny faritra iadidiany izay mahatratra 2.000 isa. Taorian’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2016 nifanaovan’ny roa tonta dia nisy ny fanolorany vatomamy sy bisikoitra ho an’ireo ankizy madinika ireo niampy kilalao. Narahin’ny fampifankahalalana teo amin’ny tsirairay izany mba hisian’ny firaisankina ao an-tanàna. Hetsika efa fanaony isan-taona moa ny tahaka izao, hoy ity sefom-pokontany iray ity. Nampiavaka ny tamin’ity taona 2016 ity fotsiny ny fijerena ireo ankizy madinika raha ny beantitra hatrany no nahazo tombontsoa hatramin’izay. Nofaranana tamin’ny fifaninanan-kira sy ny fifaninana mandihy ny lanonana, hetsika notanterahina tetsy amin’ny kianjan’i Namontana. Naharitra mandrapahariva ny andro izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.