Actualités

Anosibe Angarangarana Ho hentitra ny fitandroana ny fahadiovana manomboka izao


  • Alatsinainy 11 Janoary 2016

Ho hentitra ny fitandroana ny fahadiovana ao anatin’ny fokontany Anosibe Angarangana, boriborintany fahefatra manomboka izao

 

. Taorian’ilay hetsika fanadiovana faobe notanterahin’ireo fokontany 32 mandrafitra ity boriborintany ity ny sabotsy lasa teo dia samy tapa-kevitra ny isam-pokontany fa hanara-maso akaiky izany miaraka amin’ny Rafitra fanadiovana sy fidiovana na RF2 izay misy olona manodidina ny 20. Voakasik’izany ny fokontany Anosibe Angarangarana izay nahitana olona manodidina ny 600 teo ho eo tonga nifanome tanana. Anisan’ny hojeren’izy ireo manokana ny fanadiovana ny tatatra, indrindra fa ireo mivarina ao amin’ny tatatra C3 izay vao nodiovina farany teo. Hojerena akaiky ihany koa izay tsikafona maniry ary avy hatrany dia alana mba tsy hitombo ka hiteraka ny tondra-drano mandritra ny fotoam-pahavaratra. Samy vonona ny hanaraka io fepetra io avokoa ny mponina tamin’ny ankapobeny ho fitandroana ny fahasalaman’ny mpiara-belona sy mba hananana tanàna madio. Marihina moa fa samy nanana ny fepetra noraisiny avokoa ireo  fokontany  32 isa.

 

Pati

Legende : Ezahina ny tsy hisian’ny tsikafona be tahaka izao intsony ho an’Anosibe Angarangarana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT