Tsy kely lalana ny ratsy. Tamin’ny fiandohan’iny herinandro lasa iny dia nisy andian’olona nitonona ho mpiasan’ny CUA nanao fisavana tanŕnan’olona tetsy Anosibe.
Ny fanaraha-maso ny fahadiovan’ny tanàna no ambaran’izy ireo fa asa sahaniny ka sady misava izay tiatiany izy ireo no maka sary izay zavatra mampiahiahy azy ireo fa tena fositry ny fahalotoan’ny tanàna. Nilan’izy ireo vaniny ny tranon-kisoa ka notereny nandoa vola teo no ho eo ity fianakaviana iray mpiompy sady mpanao hotely. Teo amin’ny fotoana nahavitsy ny olona tonga nisakafo izy ireo no tonga ka ny renim-pianakaviana iray no voarebirebiny. Tsy nahalala n’inona n’inona moa ity ramatoa ka niady varotra avy hatrany tamin’ireto olon-dratsy. Vola 2 hetsy no voasolokin’ireto jiolahy tamin’ny fianakaviana. Toy ny voan’ny fandraikiraikena ry zareo nanome na dia afaka niantso fanampiana tamin’ny manodidina aza ilay renim-pianakaviana tao an-trano. Efa lasa ireo olon-dratsy vao nikoropaka. Tsy fantatra io na sazy na lamandy, na hetra. Soa fa nisy iray tamin’ireto olon-dratsy no fantatry ny olona dia i Ledada mpilalao karatra ao an-tanàna ihany. Nampandrenesina haingana ny fokonolona.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.