Actualités

Ankorondrano -Andramomahery Hanampy ireo olona sahirana ny WMG


  • Alakamisy 23 Martsa 2017

Tsy an’asa avokoa ny 90%-n’ireo tanora ao amin’ny fokontany Ankorondrano Andranomahery.

Miaina anaty loto sy fahasahiranana ihany koa ny ankamaroan’ireo fianakaviana monina ao, antony nanosika ny fikambanam-behivavy Wednesday Morning Group hanohana azy ireo. Tetikasa goavana no hotanterahin’izy ireo ao amin’ity fokontany ity, araka ny fanazavan’ny filohany Patricia Rabe,  izay haharitra roa taona. Anisan’ireny ny fampianarana ny reny amin’ny fitaizana ny zanany, ny fanofanana ny tanora amin’ny fanamboarana ny EPP ao an-toerana, ny fanadiovana ny tanàna. Ilana vola betsaka izany, antony hanatanterahan’izy ireo ilay hetsika « Salon du Chocolat et de la gourmandise » hotontosaina ny 8 aprily ho avy izao etsy amin’ny Carlton Anosy. Andiany voalohany io hetsika io, izay natao indrindra hanampiana ny kitapom-bolan’ny fikambanana sady hanandratana avo ny vokatra chocolat Malagasy amin’ny any ivelany ihany koa.  Hampihaonina ny mpamboly cacao, ny mpanodina hanjary ho akora ary ny mpamokatra izay horavahan’ny mofomamy maro isan-tsokajiny. Anisan’ny manohana akaiky ity Salon ity moa ny Banky BNI sy ny DHL noho izy ireo  misehatra hatrany amin’ny fanohanana ireo fianakaviana sahirana. 3.000 Ar no vidim-pidirana raha miisa 1.200 kosa ireo mpitsidika andrasana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT