Actualités

Ankolafy Ravalomanana Manana adidy hanery ny fampiharana ny tondrozotra


  • Alakamisy 13 Novambra 2014

Mahavariana ihany ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena. Efa lalàna velona eto Madagasikara hatramin’ny taona 2011 ny tondrozotra nifaneken’ireo mpanao politika Malagasy teo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena

Ahitana andininy 45 ao anatiny saingy misy ampahany tsy mbola tanteraka mandrak’androany, hoy ny sekretera jeneralin’ny Vahoaka Miray, Gaby Vakiniadiana. Olana foronina ny fitazonana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc any amin’ny toerana manokana arahi-maso ka tsy mitombina velively, hoy ny fanazavan’ity mpanao politika. Manana adidy goavana hanery ny mpitondra fanjakana hampihatra tsy misy hatak’andro ny tondrozotra ny ankolafy Ravalomanana. Raha tsy izay no tanteraka dia azo heverina fa nisy nenina na koa namitaka tsotra izao ny mpanara-dia azy ireo ireo mpitarika ny movansy miara-dia amin’i Dada, hoy ny fanampim-panazavana. Tsy ilaina ihany koa ny fampihavanana eo amin’ireo samy mpanao politika satria tsy hifampibaboka mihitsy ny tsy nety nataony izy ireo ka tsara kokoa raha mifona mivantana amin’ny vahoaka. Mahita ity mpikambana ao amin’ny Vami ity fa kajy politika avokoa no mameno ny fiainam-pirenena ankehitriny toy ny fampizarana ho enina ny tanànan’Antananarivo renivohitra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT