Actualités

Ankizy tena sahirana 250 Nahazo “kits scolaires” avy amin’ny STAR


  • Zoma 09 Oktobra 2015

Nanolotra “kits scolaires” ahitana kahie, penina, trousse… ho an’ireo ankizy tena sahirana ara-pivelomana eto amintsika ny fikambanana SHAReMADA sy ny orinasa Star ny faran’ny herinandro teo.

 

 Fokontany roa no voakasik’izany teto an-drenivohitra  dia Antaninandro, Ankadivato , Mandialaza, Ambatomitsangana nahitana ankizy miisa 250 isa. Ankoatra ny kits dia notolorana Eau vive iray tavoahangy avy ny ankizy tsirairay avy niampy  tee-shirt. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny orinasa Star amin’ny ShareMada ny hetsika, fikambanana tanora iray tsy manana tanjona ara-bola fa kosa mihevitra hatrany ny hanohana sy hanatsarana ny lafiny ara-tsosialy eto amintsika hahafahana mampandroso an’i Madagasikara. Toraka izany koa ny orinasa Star izay tsy mitsahatra ny manampy ny ankamaroan’ireo ankizy 6 ka hatramin’ny 15 taona  izay manovo fianarana  eny anivon’ny sekolim-panjakana ny ankamaroany. Tsiahivina moa fa mandany 1 miliara At isan-taona ity orinasa  iray ity hanaovana asa sosialy tahaka izao ka anisan’ireny ny resaka fahasalamana, ny tontolo iainana ary ny fanabeazana.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT