Masomboly vary an-tanety sy anaty rano nilanja 60 taonina no nozaraina. Tantsaha manodidina ny 2 400 tao Vakinankaratra ka anisan’ny nahazo tombony tamain’izany ny Kaominina Ankazomiriotra sy Ambohibary Sambaina. Ny Sabotsy 20 Septambra 2014 lasa
teo tao amin’ny Hotel La villa Antsirabe ny fanolorana masomboly ireo tantsaha ho an’ny faritra Ambohibary sy Ankazomiriotra ireo izay fanomezana sy fanohanan’ny Governemanta Japoney sy ny fitondrana Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny fambolena sy tamin’ny alalan’ny FOFIFA. Raha ny fanazavana nomen’ny Minisitra Ravatomanga Rolland dia tohin’ny hetsika efa natomboka ny taona 2008 izy ity, mba hiadiana amin’ny tsy fahampiam-bary eto Afrika sy i Madagasikara satria dia firenena 20 manerana an’i Afrika no misitraka ny tetikasa miaraka amin’ny Governemanta Japoney ka nahitam-bokatra satria nahitana fiakaran’ny voka-bary hatramin’ny 7 hetsy taonina izany ny taona 2007-2008, ka izay no nanohizana izany miaraka amin’ny fandaharan’asa « Africa Rice». Raha ity andiany faharoa ity dia ny taona 2013 no nanomanan’ny Governemanta Japoney azy ity ka firenena 27 aty Afrika no tafiditra amin’izay ary anisany i Madagasikara ka ny FOFIFA no misahana ny fanaraha-maso ny famokarana ireto masomboly ireto, izay novokarin’ireo mpamokatra toy ny CFAMA Antsirabe, ireo mpamboly matihanina teo ambany fanaraha-mason’ny DRDR Vakinankaratra, ny RELHARF AGROBUSINESS Ankazomiriotra. Masomboly 25 kilao isan’olona no natolotra, izay voakajy ahavitana velaran-tany 2 hektara eo ho eo. Nohamafisin’ny Minisitra fa maimaimpoana ny masomboly mba hampiakarana ny famokaran’ny tantsaha ary hisy ny fanaraha-maso ny fampiasana azy ireo amin’ny tokony ho izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.