Actualités

Ankazomiriotra Matin’ny fitsaram-bahoaka ny dahalo roalahy


  • Talata 15 Novambra 2016

Tsy milamina ny tany, ny vazaha manambaka, ny mpitondra mampiesona, ny malagasy mifamono. Izay no azo hamintinana ny zava-misy ankehitriny.

 

 Tsy mba misy vaovao tsara intsony fa dia toe-javatra mamoafady mampiteraka laza ratsy ho an’i Madagasikara sisa no re sy resahina matetika eny anivon’ny fiarahamonina. Nisehoana tranga mifandraika amin’izany indray tany Tanambe Ankazomiriotra ny sabotsy alina teo. Efa tena fongan’ny dahalo ny omby any an-toerana ka ny kisoa indray no saika halain’izy ireo. Dahalo 2 no saika hanafika toerana lehibe iray fiompiana kisoa nandritra io fotoana io. Nampiasa ody gasy toy ny moara izy ireo saingy fady kisoa ilay ody ka tsy nandaitra. Tsikaritry ny tompon’ilay toeram-piompiana izy roalahy. Nitifitra tamin’ny basy avy hatrany ilay saika hotafihina ka voa ireo olon-dratsy. Tsy afa-nitsoaka intsony izy ireo ka nilavo lefona ary notaperin’ny fokonolona tamin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka ny ainy. Izy ireo ihany no nandevina azy. Tsy mety lefy ny asan-dahalo sy asan-jiolahy kanefa ny mpitondra miraviravy tanana sy tsy te tompon’andraikitra fa variana amin’ny fangoronan-karena sy kajikajy politika. Adino ilay vahoaka lazoin’ny fahantrana andro aman’alina, hany ka manampatra ny hatezerany rehefa tojo ny fotoana hahafahana manararaotra toy ny fahatrarana olon-dratsy ka dia raikitra ny fitsaram-bahoaka. Ny mpitandro ny filaminana moa antenaina firy na dia misy aza ireo vitsy an’isa miezaka manao ny adidiny an-tsakany sy an-davany. Malaza ratsy izy ireo amin’ny ankapobeny ary ny tena loza dia tazanim-potsiny ny fandikan-dalàna ataony toy ny niseho teny Analakely kanefa tsy mba nisy sazy azon’ireo nanani-bohitra sy ireo lehibe nanome baiko. Efa fanjakan-jiolahy no misy eto fa tsy misy intsony ny tany tan-dalàna.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT