Misy raha la terre ! Sangy mihoatra ny loha ve ? Ankizivavy sahabo ho 13 taona avy nianatra handeha hody no nihetsika aretina hafahafa toa Ambalavelona tao anaty taksibe omaly antoandro tokony ho tamin’ny 12 ora mahery kely teo, tetsy Ankazomanga. Izy efa nihinjitrinjitra sy nikiakiaka ary nifotafota ivy (faroratra fotsy teo amin’ny vavany) no nanaitra ny rehetra tao anatin’ity fiara fitateram-bahoaka ity. Voatery nijanona mihitsy ilay bus satria nisahotaka ireo mpandeha.
Niditra teo Antanimena ambany ity zazavavy ity sy namany iray, ary raha vao tafapetraka izy dia nanohy nijery facebook tamin’ny findainy, hoy ny fanazavan’ny mpandeha iray teo akaikiny, kanefa tampoka teo nikiakiaka izy raha nahita sarin-dehilahy tao anaty tambajotra serasera. Niantsoantso anaran-dehilahy iray ity tovovavy mpianatra ity avy eo nihinjitra. Dimy minitra taorian’io, nisy niantso azy tamin’ny findainy ary nisava teo ilay fihetsehana aretina hafahafa nihatra taminy. Nidina teo 67 ha Avaratra Atsinanana ity tovovavy ity sy ilay namany.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.