Sambany no nitrangana horohorontany mahery vaika tany amin’ny distrikan’Ankazobe omaly maraina tokony ho tamin’ny 07 ora sy 25 minitra.
Tany amin’ny 46 na 47 km avaratr’ity distrika ity no nitrangany, 14 km avaratra andrefan’i Manerinerina, izany hoe 127 km avaratr’Antananarivo. Nahatratra 5,2 Richter ny heriny, araka ny vaovao azo izay tena mahery tokoa, raha oharina tamin’ireo horohorontany efa nandalo tany amin’iny toerana iray iny. Tsy mifidy vanim-potoana izy io raha araka ny nambaran’ireo teknisianina avy eo anivon’ny IOGA. Nambarany fa ao anatin’ny vanim-potoana manasara-taona no tena hipoirany matetika. Any amin’ny Faritra Itasy kosa no voalaza fa tena be horohorontany indrindra noho izy tany be volkano. Mihetsika in-telo na in’efatra isan’andro ireo volkano ireo amin’ny ankapobeny, antony mampahazo vahana matetika ny horohorontany any an-toerana. Marihina moa fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Tsy nisy ihany koa ny zavatra simba fa ireo mponina no niaina tao anatin’ny fitaintainana mafy. Naharitra minitra vitsy ny fihetsehana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.