Mampiteny ny moana ny fitohanan’ny fiara eto Antananarivo renivohitra sy ireo faritra manodidina azy toy ny mihazo an’Ambohimanarina, Route Digue Ambohibao Talatamaty. Henjana ny fifamoivoizana eo Anosy, Soanierana, Ankadimbahoaka, Tanjombato, Andoharanofotsy…
Mampitaraina ny olona ny amin’ny lalam-pirenena voalohany Anosizato, Ampitatafika, digue Fenoarivo, tahaka izany koa ny mihazo an’Itaosy. Analakely, Soarano, Antanimena, Behoririka sy Andravoahangy moa dia efa tsy resahana intsony. Mifangaro ao anaty lalana ny mpivarotra, ny taksibe , ny mpandeha an-tongotra ny posy sy ny sarety ary ny bisikileta. Fotoanan’ny Bazar de Noel moa izao, zavatra efa nahazatra an-taonany maro koa dia tsy misy bedy fa samy mijery sy mividy izay mety aminy. Miteraka fikorontanana kosa anefa ilay izy ary rehefa tazanin-davitra dia gaboraraka tanteraka. Maro ireo mpiasa no tara fidirana, ary mbola tantara hafa koa rehefa hamonjy fodiana avy eo amin’ny afitsoky ny taksibe. Etsy an-kilan’izay, misy ny mpitandro filaminana miezaka ihany mandamina ny fifamoivoizana saingy misy koa ireo mitazam-potsiny satria efa tsy hitany intsony izay atao. Zavatra iray anisan’ny tsy maintsy alamina ity resaka mpivarotra sy fifamoivoizana ity eto Antananarivo fa tsy sanatria hoe ho lasa fomba amam-panao ka samy hanao izay saim-pantany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.