Actualités

Ankatoky ny fetin’ny Paska Tafakatra hatrany amin’ny 90.000 Ar ny vorontsiloza


  • Zoma 25 Martsa 2016

Andro vitsy monja sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny paska isika.

 

Tsy afa-misaraka amin’izany ny sakafo matsiro toy ny akoho amam-borona izay nahitana fiakarana hatrany amin’ny 10 % ny vidiny. Antony mahatonga izany raha araka ny fanadihadiana natao teny amin’ny tsenan’Anosibe sy Soamanatombo ny fiakaran’ny vidin’ny vorona hatrany am-potony.   Ratsy mantsy ny ankamaroan’ny lalana, eo ihany koa ny fanararaotan’ny sasany noho ny fahatongavan’ny fety. Ny akoho gasy dia tafakatra 18.000 Ar ny iray, 20.000 Ar ny gana. Ny vorontsiloza dia 90.000 Ar ny iray lehibe, 50.000 Ar ny gisa. Ny akoho hatreto no be mpividy indrindra. Manantena ireo mpivarotra fa tsy maintsy hisokatra ny tsena manomboka anio zoma. Ny mampanahy azy ireo dia ny fisian’ireo akoho fakana nofony  izay mora vidy kokoa eny an-tsena sady tsy manahirana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT