Ny alahady maraina teo, tetsy 67 ha fokontany Ankasina dia ankizivavy 11 taona nanavy nijanona tao an-trano no naolan’ny raibeny 62 taona izay miara-mipetraka aminy. Tsy nisy olona tao an-trano tamin’io fa lasa nandeha nivavaka tany am-piangonana avokoa.
Raha ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao dia efa mamomamo ilay raibe mpamadika tamin’io ary tsy nisalasala nisafofaso sy nanao fihetsika mamoafady tamin’ny zafikeliny izay efa kamboty ray, roa taona lasa izay. Ny reniny kosa sahirana ara-pivelomana mikarama manasa lamba sy mitsindroka « sachet » sy kapoaka ary tavoahangy amidy. Raha ny fanazavana azo hatrany dia tsy vao sambany ity lahiantitra ity no nanao ny filan-dratsiny sy fihetsika mamohehatra tamin’ny zafiny, ary efa mahina amin’ny fihetsiny ny manodidina. Rahonany tsy homeny sakafo sy hovonoiny mantsy ity zafikeliny raha tsy mety manao na manatanteraka ny filan-dratsiny. Nentin-katahorana ilay voatavo tsy mifandraka ka nanaiky. Aiza ny tompon’andraikitra sy mpitondra Malagasy amin’ny fampiharana ny tany tan-dalàna noventesina hatramin’izay ? Nisesisesy mantsy tato ho ato ny fanolanana sy fanodinkodinana ankizy tsy ampy taona. Sa andrasana ho potika sy simba tanteraka avokoa ny zaza malagasy sy ny hoaviny vao hihetsika amin’ny fampiharana ny lalàna ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.