Nitrangana hain-trano goavana teny Ankasina Andrefana omaly tolakandro. Fatana ratsy fipetraka no voalaza fa nitarika ny loza.
Trano 72 tafo eo no may kilan’ny afo izay marihina fa trano hazo ny ankamaroany, ary miisa 280 ireo traboina. Tsy nisy ny naratra na aina nafoy, fa araka ny filazan’ireo nanatri-maso dia misy zaza iray karohina fa tsy hita. Maro ny entana simba na dia niezaka namonjy ihany aza ireo mpamonjy voina, nifanome tanana tamin’ny mponina. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy no sady nitondra fanampiana omaly hariva ny filoha Hery Rajaonarimampianina notronin’ny minisitry ny mponina Onitiana Realy.Nambaran’ny filoha ary fa : “Mila heverina lalina sy hatsaraina ny fandaminana ny tanàna, hoy izy, indrindra ny fanorenana trano amin’ny hazo izay mora andairan’ny afo. Hamboarina haingana koa ny elakelantrano mba hanamora ny fifamezivezena »
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.