Actualités

Ankadivoribe, Mandroseza Hohatsaraina ny fotodrafitrasa famatsian-drano


  • Talata 05 Aprily 2016

Natomboka omaly ny asa fananganana foibe fampiakarana sy fanadiovana ary famatsiana rano fisotro madio ao Ankadivoribe, 11 volana no ho faharetan’ny asa izay iandraiketan’ny Jirama.

 

 Ankadivoribe, Amboanjobe, Mahalavolona, Mandrimena, Iavoloha sy ireo tanàna manodidina no hahazo fihatsaran’ny famatsiana amin’izany. Mponina manodidina ny 50 000 eny Atsimondrano no hahazo tombontsoa mivantana amin’ity fotodrafitrasa vaovao momba ny famatsian-drano ity. Fa napetraka omaly ihany koa ny vato fehizoron’ny fanitarana ny foiben’ny rano etsy Mandroseza, ka afaka 7 volana no ho vita ny asa. Hanome 900 m³ amboniny ho an’ny famatsiana rano an’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina azy izany. Ireo fotodrafitra roa atsangana ireo dia natao indrindra hamaliana ny filan’ny mpanjifa, sady ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka sy ny fidiovana. Fa ankoatr’izay dia mbola fanirian’ny mponina amin’ny faritra maro eto Antananarivo, indrindra ny tanàna ambony toerana ny fanatsarana ny famatsian-drano sy ny fahadiovan’ny rano zarain’ny Jirama fa efa tena matetika loatra ilay fahatapahan’ny rano, izay tsy misy fanazavana mitombina moa.

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT