Actualités

ANKADIVORIBE


  • Zoma 25 Martsa 2016

Efa voasambotra ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpivaro-dronono teny Ankadivoribe, ka nahafatesana raim-pianakaviana iray sy naharatrana ny zanany roalahy


. Mpiray tanàna ihany ny jiolahy nahavanon-doza. Nahitana basy tao aminy. Tratra tao koa ny varavaram-pitaratry ny lycée Soalandy, izay in-droa nisy naka.

FOTODRAFITRASA
Manomboka ny fanamboarana tetezana amin’ny lalam-pirenena faha-44, mihazo an’Ambatondrazaka.  Tetezana folo eo anelanelan’ny PK27 Ambohilatsara Morarano Gara sy PK115 Ranofotsy no amboarina. Ny orinasa Sogea no manao ny asa.

FAHASALAMANA
Hisy hetsika fandidiana maimaimpoana momba ny fahavakisan’ny lanilany na sima hatao ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, mandritra ny volana aprily 2016. Horaisina anarana mialoha ireo hiatrika izany.

SARANDALANA
Tsy marin-toerana ny sarandalan’ny fiara mpitatitra Antananarivo-Antsirabe amin’izao ankatoky ny fetin’ny Paska izao. Tafakatra 12 000 Ariary izy amin’izao.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT