Actualités

Ankadindramamy


  • Talata 09 Desambra 2014

Taksi nivadika ambony ambany saika nandripak’olona Lozam-pifamoivoizana niteraka fitohanana omaly tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina teny

Ankadindramamy manoloana ny fivarotan-tsolika Shell eo Vatosoa. Fiara taksi Citroen Ax nidina avy any Mahazo no tapaka hisatra ary nitsotsotsotso ka voatery niala ireo fiara nitandahatra anaty fitohanana tety ambany. Saika nifatratra tamina fiarakaretsaka  R9 iray hafa avy aty Ampasampito handeha hifanena aminy raha tsy kinga niala kely ity farany ka ny ilan’ilay taksi R9 no lasa voafaoka. Kiaka be ary potika ireo varavarana roa aty amin’ny ilany misy ny mpamily. Nisidina ary nivadika ambony ambany kosa ilay taksi Citroen ka nikorisa teo amin’ny dimy metatra teo, ny kodiarana efatra indray no aty ambony. Marihina fa nitondra ramatoa bevohoka izy io saingy samy tafavoaka tao izy ny mpamily ka ratra maivana no tazana tamin’izy ireo. Ahiana ihany anefa ny takaitra hihatra amin’ilay zaza ao an-kibo. Soa ihany koa fa tsy nahafaoka olon-kafa teny an’arabe, be mpandeha an-tongotra nivezivezy mantsy teny an-toerana. Mila fanaraha-maso matotra ny fizahana ireo fiara mivezivezy eto amintsika fa ain’olona no lalaovin’izy ireny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT