Tonga amin’ilay fitenenana hoe manararaotra ny fahavoazan’ny hafa ny zava-niseho teny Ankadimbahoaka omaly
. Raha variana nijery ny fandravana ireo trano ny mponina dia tovolahy iray no nanararaotra nangarona ny paosina lehilahy iray. Sendra nitodika tampoka anefa ity farany. Avy hatrany dia nateriny teny amin’ireo mpitandro ny filaminana nandamina ny fifamofoizana tsy lavitra teo ilay mpanao ratsy. Teo anelanelan’izay anefa dia mandeha ihany ny daroka sy ny vono isan-karazany. Araka ny fitantaran’ny mponina ihany koa dia efa asa fanaony ny mangarom-paosy ka eny amin’ny fasan’ny karana no tena hanaovany izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.