Noraisim-potsiny tao an-tokantranony ilay tovovavy 25 taona izay nivadi-pitokisana tamin’ny renim-pianakaviana mifanila vodirindrina azy nisamborany vola mitentina 4 tapitrisa ariary.
Ny 18 septambra tamin’ny 10 ora maraina no saron’ny mpitandro filaminan’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahatelo io tovovavy heverina ho mpisoloky io. Efa herinandro vitsy ny fe-potoana
nifanarahana kinanjo nihemotra lava. Nentiny niantohana vokatra tany Ambatondrazaka izany. Tsy nanome ny anjara tombony mahakasika ny katsaka, tsaramaso ary vary izay novidiany avy
any Alaotra ka namidy teto an-drenivohitra ho an’ilay tompom-bola izy kanefa tsy namerina ny renivola ihany koa. Tonga nametraka ny fitoriana teo amin’ny polisin’Antaninandro ilay lasibatra
ka nandray ny andraikiny avy hatrany ireto mpitandro filaminana ka izao nahasarona ity tovovavy voarohirohy ho mpamadika fitokisana ity. Natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy ny faran’ny herinandro teo ny tohin’ny raharaha mahakasika ny fampiakarana
fampanoavana.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.