Trano efatra tafo no indray noravana omaly alatsinainy 1febroary tetsy Befelatanana Ankadifotsy.
Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany maraina dia tonga teny an-toerana ny andian’olona nahitana mpitandro ny filaminana sy vadintany niaraka tamin’olona iraky ny tompon’ny tany. Nanala ireo olona ireo avy hatrany tamin’ny trano izy ireo sady namefy ny tanàna iray manontolo izay marihina fa misy mpivarotra enta-madinika. Voatery niala tsy fidiny tamin’ny tranony ireo olona ireo. Nambarany anefa fa efa mihoatra ny 20 taona avy no nanajarian’izy ireo io toerana io. Vao tamin’ny zoma lasa teo izy ireo no nahazo taratasy fampandrenesana izay tokony mbola hahazo fotoana lavalava, raha araka ny lalàna. Nisy tamin’izy ireo anefa no mivelona amin’ny varotra épicerie izay vao avy naka entana mitotaly 150.000 Ar omaly maraina. Vokany, niala maina avokoa izy ireo ka na ny trano hitoerany aza tsy misy hatramin’ny omaly hariva. Raha araka ny feo mandeha teny an-toerana dia lasana teratany karana indray ity faritra amoron-dalana eny Ankadifotsy Befelatanana ity.
Patty
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.