Mpivady efa 88 taona ny lahy ary 78 taona ny vavy no nisy namono tao an-tranony ny alarobia 10 febroary teo tany Anjozorobe. Nanao ny famotorana avy hatrany ny commandat de compagnie Imerina central.
Ny filazan’ny zanany lahy izay mifanolo-bodirindrina aminy ho tsy naheno na inona na inona no nanaitra ny mpanao famotorana ka nanombohana ny hetsika. Nibaradaka io avy eo ka nilaza fa nanampy azy ny rahalahiny iray sy ny zaodahiny. Raha tsiahivina, nisy vola 10 tapitrisa Ariary hanaovana fasana tao amin’izy mivady. Novonoina izy ireo ary naterina teny Itaosy Atsimondrano ny vola 1 100 000Ar. Asa izay fsana handevenana azy mivady.
Nangonin-dRabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.