Tsy mbola voatendry mandrak’ity ny androany ny solon’ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Ramanantsoa Rodolphe, nindaosin’ny fahafatesana tampoka ny 20 aogositra 2016, iray volana mahery lasa izay.
Ny minisitry ny toekarena Raveloarison Herilanto no miloloha rano roa siny. Isan-kerinandro anefa dia misy hatrany ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony amin’ny filankevitry ny minisitra. Ny faran’ny herinandro teo izao, nialoha ny nandehanan’ny Filoham-pirenena nihazo an’i New York, namonjy ny fivoriambe faha-71 an’ny Firenena Mikambana dia mpiasam-panjakana ambony efatra be izao no notendrena fa tsy nisy fanendrena minisitra vaovao hisahana ny angovo. Ny raharaham-pirenena tsy miandry marary kanefa hodian’ny mpitondra tsy jerena ity toe-draharaha mahakasika ny vahoaka ity. Miha mahery vaika ny delestazy, tsy eto Antananarivo ihany fa saika manerana ireo tanàn-dehibe eto Madagasikara : Fianarantsoa, Mahajanga, Fenoarivo Atsinanana, Ambatondrazaka, Farafangana … Ny saran’ny jiro sy rano miakatra kanefa ny delestazy tsy tapitra. Ny hetra tangosana hatrany kanefa ny orinasa tsy afaka mamokatra amin’ny tsy fisian’ny herinaratra. Tsotsorina amin’ny hoe tsy ampy ny tosiky ny rano. Tsy vao izao fotoana main-tany izao no nampahery vaika ny delestazy. Ireo milina ampiasaina eto amintsika rahateo mandeha amin’ny solika ny ankamaroany ary fialana bala ilay resaka rano. Rehefa mitondra dia mitsinjo lavitra sy vonon-kiatrika ny zavatra ho avy saingy tsy izay no misy eto fa fialana bala lava izao.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.