Manoloana ny fahasarotana lalovan’ny Malagasy amin’ny tsy fahampiana herinaratra dia misy ny tolo-kevitra nentin’ireo olona mivondrona ao anatin’ny” Groupe Energie” mba hirosoan’i Madagasikara amin’ny fampiasana tsikelikely ny angovo azo havaozina
Nambaran’izy ireo tamin’izany fa ao anatin’ny efapolo taona ho avy dia tsy tokony hisy intsony ny Malagasy tsy manana herinaratra hampiasaina ao an-tokantranony. Maro mantsy amin’izao fotoana ireo akora azo hampiasaina entina mamokatra angovo eto Madagasikara, anisan’ireny ny akora azo avy amin’ny zava-maitso na ilay bio-carburant raha ho an’ny fiarakodia, eo ihany koa ny fitrandrahana ny angovo azo avy amin’ny masoandro sy ny rivotra izay vahaolana entina miady amin’ny tsy fahampiana herinaratra, indrindra ao anatin’izao fahasarotana mahazo ny JIRAMA izao. Mbola sarotra anefa ny hanantanterahana izany raha toa ka tsy misy ny politika mazava mahakasika ny angovo ataon’ny fanjakana. Na izany aza anefa dia maro ireo ezaka sy fanentanana efa natao entina hirosoana amin’ny fampiasana angovo azo havaozina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.