Rehefa nahita ny fahombiazan’ny fananganana famatsian-jiro tamin’ny alalan’ny fampiasana ny renirano teny ambanivohitra ry zareo Vondrona eoropeanina dia
tapa-kevitra koa ankehitriny fa hamatsy vola ny fampidirana angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro any amin’ny Faritra maromaro toa an’i Matsiatra Ambony, Vatovavy-Fitovinany ary ny Atsimo Atsinanana. « Power kiosk » no anaran’ny tetikasa ary efa-taona no faharetana naminavinana hanatanterahana azy. Hisy kiôska na tranoheva miisa 80 any amin’ireo Faritra ireo izay ho tantanan’ny orinasa “Herinaratr’i Madagasikara. 5 no kiôska efa miasa ara-dalàna ankehitriny miparitaka amin’ny Faritra roa ary ny iray ao amin’ny Fokontanin’Amparihibe, Kaominina ambanivohitr’i Mahatsinjony, Distrikan’i Lalangina any Matsiatra Ambony aza efa voatokana ofisialy ny herinandro lasa teo. Marihina fa napetraka eny anivon’ny Kaominina isanisany ireny kiôska ireny mba ahafahana manara-maso ny fanapariahana ny jiro any amin’ny mpanjifa sy ahafahan’izy ireo mandoa isan’andro ihany koa ny sandan’ny fandaniana ataony amin’ny vidiny mifanaraka amin’ny fahefa-mividiny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.