Actualités

Angovo azo avy amin’ny rivotra Tamin’ny 2012 no hatao, tsy hita popoka hatramin’izao


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

Fito taona lasa izay, izany hoe ny 11 janoary 2012 no nanambara ampahibemaso nandritra ny lanonana fifampiarahabana tamin’ireo

 

 

masoivoho vahiny miasa eto Madagasikara teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha i Andry Rajoelina, izay filohan’ny tetezamita tamin’izany fotoana fa hapetraka eto Madagasikara ny famokarana angovo azo havaozina avy amin’ny herin’ny rivotra, na “Energie Eolienne”. Hoy indrindra izy : “Hatomboka amin’ity taona ity ny fametrahana Energie Renouvelabe na eolienne eto Madagasikara. Apetraka ny fanamby ary tsy maintsy vitantsika io. Any Frantsa hatramin’ny taona 2015 dia 3000 MW no apetraka, ka nahoana no tsy hahavitantsika na dia ny ampahefany  fotsiny aza ?”. Mbola notohizany hoe : “ hatramin’ny faran’ny taona tsy maintsy vita izany”. Asa aloha izay tiany nambara tamin’ilay hatramin’ny faran’ny taona, fa raha ny fahazoan’ny rehetra salama saina tsara azy dia hatramin’ny faran’ny taona 2012 io satria 11 janoary 2012 no natao ilay fanambarana. Mbola filohan’ny tetezamita nandritra ny 2 taona mahery i Andry Rajoelina taorian’io fa tsy nisy asa nametrahana toeram-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny rivotra nitsangana teto na iray aza. Mbola niteny indray moa izy tany amin’ny tapany avaratry ny nosy iny nandritra ny propagandy tamin’ny 2018 fa hapetraka ao Antsiranana ny “Energie Eolienne” ary rehefa tafapetraka io dia mihena hatrany amin’ny 25% ny faktiora aloan’ny mponin’i Diego. Nifarana iny ny taona 2019, efa miditra 2020 isika izao. Ho avy ihany ve ilay herinaratra vokarina amin’ny rivotra ? Rahoviana ary aiza ? Amin’izao 2020 izao mbola goavana lavitra noho io fametrahana ny “Energie eolienne” io ny fandaharanasa IEM sy ny Velirano. Azo inoana ve ny fahavitany ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT