Nankalazaina omaly alatsinainy ny andro maneran-tany ho an’ny tononkalo raha ny alahady teo kosa ny angano, fankalazana izay nomarihina nanomboka ny taona 1999 taorian’ny fivoriamben’ny UNESCO.
Kolontsaina Malagasy hahafahana mitaiza sy manabe ary mampita hafatra amin’ny ankizy sy tanora izy ireo, araka ny fanazavan’ny minisitry ny kolontsaina sy ny asa tanana Andriamosarisoa Jean Anicet tamin’ny mpanao gazety omaly ka tsy tokony hotsinontsinoavina. Zary lasa adino sy tsy manana ny toerany intsony anefa izy ireo eto amintsika noho ny firoborobon’ny teknolojia ka ezahina ny hamerina izany amin’ny laoniny. Ampahany tamin’ireny ny fitetezana ireo CEG sy lycée eto an-drenivohitra izay nampitana hafatra tamin’ny mpianatra, hetsika notanterahina ny herinandro teo. Lanonana niarahana tamin’ny FMTS na ny Federasiona mpamorona ny teny sy ny soratra no nentina nanamarihana izany omaly tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy. Ho an’ny minisitera manokana dia hisy ny fametrahana paikady hahafahana mampivoatra ireo karazana kolontsaina ireo sy ny asa tanana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.