Hitokona manomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao indray ireo mpampianatra FRAM sy ny ANEFFA raha toa ka tsy tanteraky ny fitondram-panjakana ny fampanantenana natao azy ireo. Anisan’izany ilay fanampiana izay efa tokony ho noraisin’izy ireo nanomboka ny volana septambra lasa teo ka hatramin’ny volana desambra. Nisy ny fivoriana notanterahin’izy ireo omaly tetsy amin’ny CEG Antanimbarinandriana.
Anisan’ny tapaka nandritra izany ka hotakian’izy ireo tsy miato intsony manomboka izao ny tokony handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM rehetra ambiny miisa 65.000. Tanjona moa raha araka ny fanazavan’izy ireo ny hahafahana miaro ny tombontsoan’ny mpampianatra izay angady nananana sy vy nahitana ireo manampahaizana rehetra eto amin’ny firenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.