Actualités

Andry Rakotovao Maty novonoin’ny «Mafia»


  • Zoma 30 Janoary 2015

Tsy milamina ny tany ! Maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, tao amin’ny hotely iray tany Moramanga, i Andry Rakotovao, mpandraharaha ara-toekarena filohan’ny «Vovonan’ny vary» ary kandida solombavambahoaka teny Avaradrano tamin’ny 2013 nitarika ny lisitra «Andrin’i Madagasikara».

 

 Feno dian-java-maranitra ny faritry ny lohany sy ny tendany ary ny tongony. Hidina any Ambatondrazaka no nialany teto an-drenivohitra ny alarobia, nijanona tao Moramanga ary nifanao fotoana tamin’ny rahalahiny tao Ambato omaly zoma. Izy efa nihoson-dra tao amin’ny efitrano no hitan’ny mpiasan’ny hotely taorian’ny antso vonjy ren’ireto farany ny alin’ny alarobia efa hisasak’alina. Nandritra izay dia nisy nahatsikaritra olona iray nilomay niditra tao anaty fiara 4x4 Nissan Pathfinder nentin’ity mpandraharaha ity ary nitondra izany nirifatra. Nentina haingana hotsaboina tao amin’ny hopitaliben’i Moramanga kosa i Andry Rakotovao. Mbola nahateny ity farany fa ny mpamiliny no namono azy. Tsy tana anefa ny ainy, omaly tamin’ny enina ora maraina, na nanao ny ezaka rehetra aza ny mpitsabo tao Moramanga. Miahiahy ny fianakaviana fa mety ho vono olona efa nomanina ity nahazo an’i Andry Rakotovao io, ka fitaovana fotsiny ihany ilay mpamily. Misy loharanom-baovao milaza koa fa “mafia” mihitsy no ao ambadik’io famonoana azy io. Nakarina eo anivon’ny fianakaviana etsy Ambohimagakely hatry ny omaly ny razana, ary efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana.

 

Manameloka

Tamim-pahatairana no nandraisan’ireo mpikambana “Andrin’i Madagasikara” any Ambatondrazaka ny fahafatesan’ny filoha nasionalin’ny fikambanana, Andry Rakotovao fantatry ny maro tamin’ny hoe : “Andry 44”. Nanana andraikitra goavana teo amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny famokarana tany Alaotra ny Filoha Nasionaly ny fikambanana Andrin’i Madagasikara. Betsaka ireo tetikasa saika hotanterahany amin’izao taona vaovao 2015 izao, saingy indrisy fa rava tao anatin’ny indray mipi-maso izany. Manameloka izao habibiana tsy roa aman-tany izao ary mitaky ny hivoahan’ny marina mahakasika izao famonoana ny filoha nasionalin’ny fikambanana Andrin’i Madagasikara izao ny mpikambana any amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka araka ny resaka nataon’ny filohan’ny fikambanana any Ambatondrazaka, Dokotera Elie Rasoanaivo. Maneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviana ny mpikambana Andrin’i Madagasikara rehetra any Alaotra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT