Tanterahina any Yokohoma manomboka anio 28-30 aogositra ny fihaonam-be iraisam-pirenen’i Tokyo momba ny fampandrosoana an’i Afrika andiany faha-7 na ny “TICAD 7”, ka mandray anjara amin’izany i Madagasikara amin’ny alalan’ny delegasionina tarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina.
Lohahevitr’ity andiany ity ny «Fanatsarana ny fampandrosoana an’i Afrika amin’ny alalan’ny Olombelona sy ny teknôlôjia ary ny fanavaozana ». Mialoha izay, nandray anjara tamin’ny fivorian’ny IFNA na “Initiative for Food and Nutrition Security in Africa” omaly talata 27 aogositra 2019 ny filoha, ka niresahany ny fametrahana rafitra manerana ny nosy manohana ny politika natokana hanatsarana ny fahazarana ara-tsakafo, ny fampitomboana ny vokatra ara-tsakafo amin’ny alalan’ny fandaharan’asa mamatsy vola ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary fananganana orinasa manodina fanampin-tsakafo feno otrikaina toy ny moringa sy « spiruline », indrindra fa any atsimo ; ny fitantanana tsara ireo loharanon-drano amin’ny alalan’ny tetikasa fanondrahana sy fizarana rano ireo tany fambolena ary amin’ny alalan’ny fiarovana ny fananan-tany sy fanamorana ny fahazoan’ireo tantsaha ny akora fampiasany ; ny fanomezana asa mendrika ho an’ny rehetra,…. Nanao antso avo amin'ireo mpiara-miombon’antoka japoney sy vahiny mba hifanome tanana sy haneho firaisankina amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mba hitsinjovana ny taranaka izy. Tena izany tokoa ve ny politika ampiharin’ny fanjakana Rajoelina eto amintsika sa kabary ambony latabatra any anaty fihaonana iraisam-pirenena fotsiny ? Nihaona tamin’ny filohan’ny “Agence japonaise de cooperation internationale" na JICA sy ny filohan’ny vondrona japoney momba ny fifandraisana ara-barotra na JETRO ihany koa ny filoha Rajoelina. Ny tetikasa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny sehatry ny fambolena ary ny fanabeazana no tena hifantohan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny JICA sy Madagasikara. Ny fijerena ny fomba hahafahana mampiroborobo ny fifandraisana ara-barotra misy eo amin’ny Japon sy Madagasikara kosa no votoatin’ny fihaonan'ny filohan’ny JETRO sy ny filoha malagasy Andry Rajoelina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.