Sary anisan’ny nanamarika ny andron’ny omaly 8 martsa 2016, raha ny teto an-drenivohitra, ny fifanatonana akaiky teo amin’ireo mpanao politika, mpifandrafy sy nifampifofo enin-taona lasa izay.
Marc Ravalomanana, filoham-pirenena teo aloha ary filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara sy Lalao Ravalomanana vadiny sady Ben’ny tanànan’Antananarivo rahateo, an-daniny ary Rahasimanana Paul Bert na Rossy, solombavambahoaka Mapar voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra, mpiaradia amin’i Andry Rajoelina, an-kilany. Enin-taona lasa izay, tsy azon’ny saina novinavinaina ny hahita sary toy izao. Mitranga anefa ny tsy nampoizina. Nampifanatona ny mpirafy iny Andron’ny vehivavy 2016 iny. Izay no politika, tsy eto Madagasikara ihany no isehoan’izany, fa maneran-tany. 26 febroary 2016, folo andro lasa izay no efa nahitana kisary toy io ihany koa tao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, nandritra ny fankalazana ny faha-80 taonan’ny sendikalisma manerantany. Fiaraha-maka sary no nisehoany, saingy raha ny tazana tetsy amin’ny lapihazo nanoloana ny Lapan’ny Tanàna, tamin’ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy omaly io, dia iray fitoerana ary nifampiresaka ny an-daniny sy ny an-kilany. Nizotra tao anatin’ny fifanajana izany. Nifandray ny tadin-dokanga ary « manga » ny resaka raha ny fijery azy ireo tazan-davitra. Na tsy nisy nipika aza ny votoantin-dresaka nifanaovan’izy ireo dia azo antoka fa voaresaka tao ny politika hampandrosoana miaraka sy amim-pitiavana ny tanàna. Ny fifanomezan-tanana sy ny firaisankinan’ny herivelona rehetra eto rahateo no hampandroso an’ity renivohitr’i Madagasikara ity, sy hametrahana an’Antananarivo amin’ny toerana mendrika azy. Ankoatra ny maha mpanao politika azy dia Mpanakanto ihany koa i Rossy sady mpitarika sendika. Mpiray ombon’antoka amin’ny CUA ny mpanakanto, miantoka fidiram-bolan’ny Kaominina amin’ny alalan’ireo hetra sy haba alaina amin’ny tapakila sy fametahana afisy ary fanofana kianja na toerana hanaovana fampisehoana. Tolotanana avy amin’i Rossy rahateo ny “Chapiteau” sy ny fanamafisam-peo. Mety noresahana ihany koa io fiaraha-miasa io, tohin’izay efa nifampiresahan’ny sendikan’ny artista tamin’ny Ben’ny tanàna nandritra ny fihaonan’ny roa tonta herinandro lasa izay, sy niresahana izay mety ho fiaraha-miasa vaovao ara-politika, kolontsaina sy sosialy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.