Actualités

Andron’ny olona manana fahasembanana Tsy hita popoka ny praiminisitra


  • Talata 09 Desambra 2014

Ny tanŕnan’Antsirabe no nanamarihana tamin’ny fomba Ofisialy ny Andro eran-tany ho an’ny olona manana fahasembanana ny alatsinainy 08 desambra lasa teo. Hetsika nanomboka ny sabotsy tamin’ny alalan’ny varotra fampirantiana tao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina, narahina fifaninanana ara-panatanjahantena nataon’ireo olona manana

fahasembanana no nanamarihana izany tao Antsirabe. Raha ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta moa no nandrasana sy fantatra fa hiahy ity lanonana ity dia tsy tazana indray fa ny minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Rtoa Johasy Eleonore no tonga nanotrona ireo sembana. Nisongadina nandritra ny lanonana ny fanaovan-tsonia ny “Satan’ny tanànan’Antsirabe”, momba ny fiahiana ireo olona manana fahasembanana ireo, izay natao indrindra hanamaivanana azy ireo amin’ny fanaovan-draharaha any amin’ireo biraom-panjakana ireny. Nisy avy hatrany ny fametrahan’ny fiadidiana ny tanànan’Antsirabe ireny lalana azon’ny sembana andehanana ireny teo amin’ny kaominina Antsirabe renivohitra, izay ny fiaraha-miasa amin’ny Fanilo CBR izany ka toerana niisa dimy no nanaovan’izy ireo izany. Nanamarika moa Ramatoa Minisitra fa voalohany amin’ny fanohanana ny sembana ny ao Antsirabe. Tanjona, hoy izy, ny tsy hisian’ny fanilikilihana azy ireny intsony satria azo heverina fa  miteraka fampandrosoana ihany koa izy ireo ary tsy ho vesatry ny fiarahamonina araka ny lohahevitra nakalazana izany tamin’ity taona ity.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT