Nankalazaina omaly ho an’i Madagasikara ny andron’ny Indostria eto Afrika. Novoizina tamin’izany ny fanomezana lanja ity sehatra ity mba ho loharano mampandroso ny firenena
. Nilaza ny minisitry ny Indostria Atoa Jules Etiennes Rolland fa anisan’ny laharam-pahamehany ny fanomezana lanja ireo Indostria Malagasy mba hanana ny toerany eto Afrika. Raha ny hita anefa toa hafa ny tondroin’ny molotra ary hafa izay lazain’ny vava ho an’ny minisitra tompon’andraikitra. Milaza miara-mahita anefa ny rehetra fa mbola marary tokoa raha eto Madagasikara ny indostria malagasy. Betsaka amin’izy ireny no zara raha mihodina fa ny an’ireo vahiny no tena mbola mahazo laka sy mibahana amin’ny lafiny ara-barotra sy fifanakalozana. Heno matetika ireo sendikan’ny indostria eto an-toerana maneho ny heviny mahakasika indrindra ny olana sedrain’izy ireo eto Madagasikara, saingy toa antso an’efitra ihany izany. Tsy azo hodian-tsy hita ihany koa fa nampiroborobo ny harinkarena teto Madagasikara ary nanome asa ireo Malagasy an’aliny maro ny orinasa TIKO saingy nisy moa ny hasomparana sy ny fialonana teo amin’ny sasany dia nopotehin’ireo tsy tia tanindrazana izany orinasa tena Malagasy izany. Nisy hatrany ny ezaka nataon’ny tompon’andraikitra ity orinasa ity ny amin’ny mba hiverenany mihodina indray kanefa toa voasakana sy voarirarira hatrany izy ireo. Efa nisy mihitsy aza moa ny toky nomen’ny minisitra amin’izao fotoana saingy nijanona ho fampanantenana ihany izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.