Ho ratsy ny andro manerana ny faritra maro hatramin’ny alakamisy ny 01 septambra hisian’ny eklipsa eto amintsika. Mahatratra 100% izany ho an’i Toamasina ka ho an’ireo te-hankafy ny fijerena eklipsa dia any amin’ny faritra avaratra andrefana no tsara mandeha.
Toraka izany koa Antananarivo izay fantatra fa handrahona mihitsy. Any amin’ny Faritra Itasy sy Bongolava no tsara raha te hankafy tsara ny fijerena eklipsa, hoy ny teknisianina ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Mampiomana izy ireo fa hahery fitsoka ny rivotra ka tokony ho samy hitandrina ny rehetra amin’ny fampiasana ny solomaso eklipsa sao paohin’ny rivotra tampoka eo am-pijerena ny fivoarany, ka hahitan-doza. Mikasika ity hatsiakabe eto afovoan-tany izay efa tafidina hatrany amin’ny 3°C ity moa dia nanambara izy ireo fa hifarana rahampitso Alarobia izany. Vokatry ny fisian’ilay rivotra entin’ny « anti-cyclone” any amin’ny Faritra Atsinanana no mahatonga azy ka tokony samy hanao fitafiana mifandraika amin’izay avokoa ny rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.