Actualités

Andro tsy fiasana Nasavorovoron’ny fanjakana ny fampianarana


  • Alakamisy 06 Jona 2019

Vokatry ny tsy fahamatoran’ny fanjakana tamin’ilay resaka andro tsy iasana, dia nisavoritaka ny rehetra.

 

 

 Tao ny nampiato ny asany ny talata 4 jona, toy ireo orinasa tsy nandray ny kaomandiny mihitsy, tao ny omaly alarobia 5 jona vao nanao. Ny mpianatra nisy ny talata teo no efa niato, ary nisy ny omaly. Tao ny efa tonga tany an-tsekoly omaly, vao niverina nody, ary nisy kosa no tsy niraharaha izay fanapahan-kevitry ny fanjakana intsony fa dia notohizany tahaka ny andavanandro ny fampianarana sy ny asa aman-draharaha. Ny sekoly katolika, ohatra, dia saika nianatra avokoa. Ny ankizy ao anatin’ny finoana silamo izany tsy maintsy nanapaka fa ny hafa nanohy ny fianarana ihany. Lasibatry ny tsy fahamatoran’ny mpitondra. Ho an’ny mpiasam-panjakana, tsy mametraka olana firy izy ireo. Fikorontanana kosa no naterany ho an’ny orinasa tsy miankina samihafa satria nisy mihitsy ny maty roa andro, izay vola an-tapitrisany maro no mety very. Tsy sainin’ny mpitondra izany ary amin’ny maha ambony azy, dia fady izay hiala tsiny amin’ny lasibatra. Izay angamba ilay hoe: “Ny lehibe tsy mba meloka !”.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT