Ny faritra Atsimon’ny Nosy indray izao no mizaka ny voka-dratsin’ny faharatsian’ny toetr’andro.
Niakatra ny rano ary nanonja be ny ranomasina afak’omaly tao Morondava ary dibo-drano ny tao Toliara sy toerana maro, ary ratsy tanteraka ny andro ao anatin’ny Faritra Menabe, Melaky, Atsimo Andrefana. Tena manomboka mihamafy ny voka-dratsiny na dia tsy mbola misy aza ny rivodoza fa mbola tafiotra azo sokajiana ho malefaka miampy oram-be no mamely noho ny tangoron-drahona matevina any an-dranomasina. Niainga tany Avaratry ny Nosy, nahazo ny ilany andrefana ary mikasika ny tapany Atsimon’i Madagasikara ny toetr’andro ratsy amin’izao. Efa maro ny toerana mitondra takaitra, toy ny any Antsiranana sy Nosy Be, ny any Boeny, ary efa voakasika ihany koa ny any Atsimo. Nitombo hery ka lasa “Depression Tropicale” ilay andro ratsy niforona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Any amin'ny manodidina ny 190 Km Atsimo Andrefan’i Toliara no misy ny foibeny omaly maraina tamin’ny 9 ora sy 30 tany ho any. Mitondra rivotra mahatratra 55 Km/ora sy tafiotra 75 Km/ora izy. Nikisaka mianatsimo somary Atsimo Atsinanana ny diany ka mahafaka 18 Km/ora. Manoloana io fivoarana io, dia iangaviana ny mponina amin’ny tapany Atsimo mba hampihatra ny fepetra mikasika ny loko mavo : Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy, hoy ny toromariky ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.