Actualités

Andro maneran-tany ho an'ny fahitana Vahoaka an-jatony no notiliana maso sy diabeta maimaimpoana


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Nankalazaina ny sabotsy 9 oktobra lasa teo ny andro maneran-tany ho an'ny fahitana. Anisan'ny nandray anjara mavitrika tamin'izany ny fikambanana Lions sight first Madagascar, notarihin'ny filohany Rabenjamina Olivier.

 

 


 Tetsy amin'ny lapan'ny tanànan'Analakely no nanamarihany izany izay nanaovany fizaham-pahasalamana maimaimpoana marobe toy ny fitiliana ny maso, ny aretina diabeta, ny fitsapana ny tosidra ... An-jatony ireo nahazo tombontsoa tamin'izany ka ankoatra ireo zokiolona mihoatra ny 50 dia maro ihany koa ireo ankizy madinika tonga nandray anjara tamin'izany. Raha ny fanadihadiana natao dia efa nahatratra 70.000 tao anatin'ny 18 taona izao ireo olona nahazo fitsaboana maimaimpoana tahaka izao avy amin'ny Lions sight first Madagascar. Tafiditra ao anatin'izany ny fanomezana solomaso amin'ny vidiny mirary raha mbola arahina tohana izany ho an'ireo tena voan'ny katarakta marina miaraka amin'ny hopitaly HJRA etsy Ampefiloha sy ny SALFA eny Ambohibao. Tsiahivina moa fa anisan'ny antony mahatonga ny katarakta raha tsiahivina ny dona mafy loatra mety mahazo ny maso, raha eo ihany koa ny havizanana ateraky ny fampiasana finday lavareny sy ny solosaina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT