Actualités

Andro maneran-tany ho an’ny angano sy ny tononkalo Hankalazaina amin’io herinandro io avokoa


  • Talata 15 Martsa 2016

Zary lasa adinon’ny rehetra ny fisian’ny angano sy ny tononkalo ankehitriny noho ny firoborobon’ny teknolojia.

 

Mba ho fanampiana ny taranaka faramandimby hahalala izany ary dia hankalazaina ny 20 martsa ho avy izao ny andro maneran-tany ho an’ny angano raha ny 21 martsa kosa ny andro maneran-tany ho an’ny tononkalo, hetsika karakarain’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny asa tanana. Hetsika marolafy no entina manamarika izany toy ny fanentanana ny mpianatra manerana ny sekoly maro isan-tsokajiny. Omaly, ohatra, dia tetsy amin’ny LMA Ampefiloha no nisantarana izany. Hitohy etsy amin’ny EPP Ankadifotsy anio.  Hitohy eny amin’ny  Lycée Arcade Antaninandro rahampitso… Ny alatsinainy 21 martsa kosa no hanaovana ny lanonana amim-pomba ofisialy etsy amin’ny efitrano Rado tranombokim-pirenena Anosy izay hihaonana amin’ireo mpanoratra maro isan-karazany. Tanjona amin’izany ny fampahalalana ny besinimaro ny lanjan’ny angano sy ny tononkalo manoloana ny fiainam-pirenena sy ny maha olona mba hiverinany ho haren-tsaina ho an’ny tsirairay indray. Ny OFNAC, ny UNESCO, ny federasiona mpikanto ny teny sy ny soratra no miara-misalahy amin’ny fanatontosana azy ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT