Henatra ho an’ny mpitondra Malagasy ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena mikasika ny zo hahazo vaovao izay ankalazaina isaky 28 septambra.
Nangina tanteraka izany ho antsika teto Madagasikara. Ny Sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fanabeazana sy ny kolontsaina ary ny vakoka (UNESCO) no hany nanao hetsika nentina nanamarihana izany teny amin’ny Hotely Astauria eny Antanimena nanomboka ny talata 27 septambra lasa teo ary nifarana omaly alarobia 28 septambra izay ivon’ny fankalazana. Tamin’ny alalan’ny atrikasa no nanamarihana izany. Nangingina sy tsy re feo kosa ireo olom-panjakana nandritra ity fotoana fanamarihana ity. Menatra amin’ny ataony ve ny mpitondra ka naleony nipirina ? Mibaribary eto amin’ny firenena ny fangejana ny zo hahazo vaovao ka izay no tsy naharenesana ny feon’ny mpitondra eto amin’ny firenena. Tamin’ny 26 septambra lasa teo aza ny minisitry ny serasera Andrianjato Vonison dia nanambra fa mihatra ny lalàna mifehy ny serasera izay maro no manasokajy izany ho famoretana sy mifono sakana ho an’ny fahazoan’ny olom-pirenena vaovao. Nezahina nafenina sy tsy namphafantarina ity andro iraisam-pirenena ity kanefa iaraha-mahalala ny dokambarotra ataon’ny fanjakana rehefa misy ny fankalazana mitovitovy amin’izany toy ny tamin’ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny habadoana ny 8 septambra lasa teo izay ny filoham-pirenena no tany Miarinarivo Itasy.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.